Fanomanana ny lalaon’ny nosy 2023: noraisin’ny Minisitra Coach Edgard Razafindravahy ny ekipam-pirenena malagasy eo amin’ny Badminton 

Mitovy ny tadin-dokanga eo amin’ny Minisitra Coach Edgard Razafidravahy sy ireo mpanao fantanjahan-tena hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny taranja Badminton amin’ny Lalaon’ny Nosy manomboka ny 25 Aogositra 2023. Mpilalao 24, 14 ny lehilahy ary 10 vehivavy, sy mpanazatra 5 izy ireo no noraisin’ny Minisitra tetsy Ambohidahy omaly Alarobia 7 Jona 2023.

Nohararaotin’ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny indostria nizarana tamin’ireto tanora ireto fa zava-dehibe ny fanodinana ny vokatra malagasy mba ho azo tehirizina ary azon’ny mpiray tanindrazana jifaina. Amin’ny alalan’ny ODOF (One District One Factory) no hanatanterahana izany, izay anatin’ny Velirano faha-7 (fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara) sy ny Velirano faha-9 (fahavitan-tena ara-tsakafo).

Momba ny lalaon’ny Nosy dia « adidiko mandritra ny fotoana hiarahantsika ny mijery ny tsirairay aminareo, satria tsy mahazo fandresena raha tsy mifanaraka tsara ny saina, ny fo ary ny fanahintsika. Amin’ny alalan’ny Whatsapp groupé no hifampiresahana isan’andro, hifanakalozan-kevitra sy hamahana izay olana sedrain’ny ekipa na sedrain’ny tsirairay», hoy ny Minisitra.

Nasiany tsindrim-peo koa fa tsy mahazo fandresena ary tsy tafita amin’ny fiainana raha tsy manana « discipline ». Mila finiavana, mila mitandrina amin’ny fitondran-tena, mila mifanaja tsara ny ekipa. Nampanantena izy fa hijery mpiara-miasa na kaoperativa matanjaka hiaraka amin’ny taranja Badminton. Ny kaoperativa rahateo efa afaka mandraharaha, hatramin’ny manondrana ny vokatra mankany ivelany aza, araka ny Lalàna « Edgard » ahafahan’izy ireo mahazo vola amin’ny asa ataony.

Nahavelom-bolo ny Filohan’ny Federasionan’ny Badminton, Jean Aimé Ravalison, ny fihaonana tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ka nilazany fa mandrisika ny ekipam-pirenena handroso hatrany ny tolo-kevitra sy ny fomba fijerin’ny Minisitra Coach.

Vous aimerez aussi...