Taom-piotazana:Malalaka ny famerana ny vidin’ny lavanila fa tsy mahazo milatsaka ambanin’ny 75000Ar ny kilao

75000Ar no vidy farany ambany ivarotan’ny mpamokatra ny iray kilao amin’ny lavanila maitso. Malalaka kosa anefa ny mpivarotra (mpamboly) sy ny mpividy (mpanangom-bokatra, mpikarakara sy mpanondrana) amin’ny vidy ifanarahan’ny andaniny sy ankilany ambonin’ny 75000Ar. Harahi-maso ny fampiharana ny didim-pitondrana mba tsy ho tamoraina ny vidim-bokatry ny mpamboly.

Vous aimerez aussi...