Fiarovana ny mpanjifa: Entana lany daty 1200 kg nodorana tany Ihosy

Karazana entana ilaina andavanandro toy ny menaka, bisky, vatomamy, zava-pisotro mamy, loko ireo tsy azo namidy intsony ireo ka nandraisana fepetra. Nanatanteraka ny fandoroana tao Ihosy, renivohitry ny faritra Ihorombe ny ekipan’ny DRICC ny Zoma 24 Marsa 2023.

Nanatrika ny fandevonana ireo entana lany daty ireo ny solontena avy ao amin’ny Governorà any amin’ny faritra Ihorombe, ny Talen’ny CCI (Antenimieran’ny Varotra sy Indostria) Ihorombe ary ireo avy amin’ny haino aman-jery any an-toerana.

Sary DRICC

 

Vous aimerez aussi...