Fihaonana fikatsaham-bahaolana: Nomena sehatra ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila

Katsahina ny vahaolana maharitra iatrehana ny olana momba ny lavanila, eo amin’ny fividianana izany any amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny fivarotana amin’ireo mpividy iraisam-pirenena. Andrasana ny fehin-kevitra iraisan’ny mpandraharaha mpanondrana mikasika izany. Novorian’ny Filankevitra Nasionalin’ny Lavanila (CNV) tetsy amin’ny Carlton Anosy moa androany Alatsinainy 27 Marsa 2023 ireo mpanondrana lavanila nahazo fankatoavana ireo manoloana ny zava-misy.

“Ao anatin’ny dinika no ijerena ny vahaolana. Misy ny mpandraharaha hafa homena agrément. Tsy maintsy jerena anefa hoe manana lavanila ve izy ireo, efa hividy lavanila eo amin’ny tsena anatiny ary hanondrana any ivelany”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany tetsy Anosy raha naneho ny fandrosoan’ny dingana handaminana ny raharahan-davanila.

Tsy nihambahamba ny Ministry ny Varotra Edgard Razafindravahy androany, teo am-pivoahana ny Carlton, nilaza fa malalaka ny varotra eto Madagasikara, tsy maintsy tsinjovina hatrany ny tantsaha mpamokatra, tsy maintsy arovana amin’ny sehatr’asam-pamokarana rehetra ataony ireny tantsaha ireny.

Anisan’ny fepetra noraisina tamin’ny dinika niarahana tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha ny 9 Febroary 2023 koa moa ny fitazonana ny vidin’ny lavanila aondrana ho 250 dolara/kilao. Resy lahatra tamin’izay ihany koa ny avy amin’ny Vovonana SOS Vanille nandritra ny fihaonana tamin’izy ireo niarahan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny mpikambana roa ao anatin’ny Governemanta tany Sambava tamin’ny herinandro lasa. Mandroso ihany koa ny fikarakarana « road show » iarahan’ny Fanjakana sy ny mpandraharaha hanatonana ireo mpividy any ivelany amin’izao fotoana izao.

Hitohy any Antalaha amin’ny Alatsinainy 03 Aprily 2023 izao ity fivorian’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ity.

Vous aimerez aussi...