Fihariana eny ambanivohitra: nosokafana ao Tsiroanomandidy ny “guichet unique agricole” voalohany eto Madagasikara

Ozinina fanodinana ny vokatry ny fambolena ho lasa provandy ho an’ny tantsaha, Toeram-pivarotana sy fanofàna milina fampiasa amin’ny fambolena toy ny trakitera an’ny Orinasa SODIREX sy AGRIMA, Fampindramam-bola madinika ataon’ny VOLAMAHASOA, Biraon’ny DRAE ary Toeram-pivoriana sy Fisakafoana. Hita eo amin’ny toerana iray avokoa izany rehetra izany.
Notokanana ny 28 Septambra 2023 tany Ankadinondry-Sakay ny “Guchet unique agricole” hanalana fahasahiranana ny tantsaha. Tanjona ny tsy hivezivezen’izy ireo intsony izy amin’ny fitadiavana izay mahasoa azy.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...