Filan-kevitry ny Ministra

Ho apetraka mazava anaty didim-pitondrana ireo fepetra hiasan’ireo mpanangona sy mpivaro-bary akotry sy fotsim-bary vokarina eto an-toerana
Ankoatr’ireo fepetra ireo dia ho faritana koa ny lalan’ny fitsinjarana sy ny fivezivezen’ny vokatra ary koa ny fitsipika mifehy ny fitehirizana izany sy ny fangaraharahan’ny fifanakalozana ara-barotra. Ho atsangana ny komity mpanara-maso ny vary vokatra eto an-toerana isaky ny faritra mpamokatra.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny Alakamisy 11 Avrily 2024 lasa teo ny handraisanana izany didim-pitondrana izany ahafahana manatanteraka fanadiovana sy fandrindrana ity sehatra ity, mba hahamarin-toerana ny vidim-bary sy mba hiantohana ny fifaninanana madio sy ara-drariny eto amin’ny tsena anatiny.
Foto-tsakafo sy vokatra stratejika mety hanahirana antsika ny vary raha tsy voalanjalanja ny fitantanana azy. Mitombo ny mponina, mitombo manaraka izany koa ny tinady.Tamin’ny taona 2022 izao dia efa nahatratra 3.000.000 taonina ny tinadin’ny mponina tamin’ny ankapobeny. Tsapa anefa fa miovaova isan-taona ny vidim-bary sy ny habetsahany eny an-tsena.

Vous aimerez aussi...