Fizakamanana ara-indostria, Feno 30 taona ny OMAPI

fizakamanana

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny fizakamanana ara-indostria sy ho fampiroboroboana ny fiahiana azy ireo ny Ofisy Malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria na ny OMAPI. Andraikitry ny OMAPI mantsy ny fampahafantarana an’ireo orinasa ny tokony hiarovana ny vokatra ho vokariny sy ny tombontsoa aterak’izany amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy ny amin’ny lafin-javatra hafa koa. Ankehitriny dia mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ara-teknika ireo orinasa avy amin’ny fandaharanasa ODOF ny OMAPI.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 12 Avrily 2024 lasa teo ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Ofisy Malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria na ny OMAPI. Nanombohana ny taom-pankalazana ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny EKAR Saint François Xavier Antanimena. Nanotrona izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno sy ny Tale misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Tetikasa (DPP) Hanitsoa Ravo Ramahery. Ny MIC izay marihana hatrany fa minisitera mpiahy ny OMAPI. Hovoizina mandritra ny taom-pankalazana ny hoe « Miaraka miasa ho an’ny famoronana sy hitondrana haitao vaovao eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny indostria ».
Hitohy mandritran’ity taona ity moa ny fankalazana ka ny 24 hatramin’ny 26 avrily ho avy izao dia hidina ifotony any amin’ny faritra Vakinakaratra ny OMAPI. Mifanandrify indrindra amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizakamanana ara-tsaina izany.

Vous aimerez aussi...