Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny fandraharahana: Nanamafy ny fanohanany an’ireo mpandraharaha ny MICC

« Manohana hatrany ny mpandraharaha ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ». Nazava ny lahatenin’ny Sekretera jeneralin’ny MICC, Onja Miandry Rakotondramanana, omaly Alatsinainy 14 Novambra 2022 nandritra ny fanokafana ny Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny fandraharahana (GEW).
Anisan’ireo firenena miisa 170 mankalaza ny GEW i Madagasikara. Tanjona anatin’izany ny hananan’ireo mpandraharaha toe-tsaina mifaninana na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Lalana mitondra amin’izay ny fifanakalozana amin’ny alalan’ny famelabelarana sy ady hevitra, atrik’asa, torolalalana ary fampifandraisana ny mpandraharaha ahafahany misitraka ireo sokajin’asa misy.
Manodidina ny telopolo ireo hetsika ho tanterahina manerana ny Nosy mandritra ny herinandro. Amin’izany no hitondran’ny mpisehatra hevitra vaovao, hitarihany lalana an’ireo tanora sy vehivavy maniry ny hirotsaka amin’ny sehatry ny fandraharahana mba hampivelarana ny kolotsaina mpandraharaha.

Vous aimerez aussi...