Herinandron’ny fahatsarana: natao loabary an-dasy tetsy amin’ny Carlton Anosy ny momba ny Taninketsa Indostrialy sy ny Tetikasa PTASO

Ny momba ny Taninketsa Indostrialy sy ny Tetikasa PTASO no novelabelarian’ny Talen’ny Fisandratana ara-indostria (DEI) eto amin’ny MICC, Njiva Rakotoarivonona sy ny Mpandrindra ny Tetikasa PTASO, Nirhy Lanto Rabibisoa, nandritra ny adihevitra tamin’ny andro faharoan’ny Forum B2B, omaly Alarobia 14 Jona 2023.

Nasongadina tamin’izany ny dingana rehetra sy ny fametrahana Taninketsa Indostrialy manerana ireo Distrika maro. Nozaraina tamin’ny mpanatrika ihany koa ireo asa efa vita. “Distrika 16 hatreto no nisitraka Taninketsa Indostrialy arakaraka ny filana sy ny vokatra mampiavaka ny faritra tsirairay, iaraha-miasa amin’ny kaoperativa”, hoy ny DEI.

Nanazava ny drafitr’asa sy ireo sokajin’asa ho voizina ao anatin’ny PTASO kosa ny Mpandrindra ny Tetikasa. Voateny tamin’izany ny hetahetan’ireo mpamokatra any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny andrasana amin’ny PTASO.

Vous aimerez aussi...