Herinandron’ny hatsaran’ny vokatra: handray ny hetsika iraisampirenana goavana “panel cacao fin” i Madagasikara ny 13 sy 14 Jona 2023 izao. 

Hetsika telo samihafa fa mifameno no hatao mandritra ny herinandron’ny hatsaran’ny vokatra (“semaine de l’excellence”) ny 12 Jona ka hatramin’ny 18 Jona 2023. Ankoatra ny Salon biolojika sy ny Forum B2B dia hisy ny Panel cacao fin etsy amin’ny Radisson Blu etsy Ambodivona ny 13 sy 4 Jona 2023. Tanjona ny fanomezana sehatra manokana ireo vokatra malagasy izay tena mampalaza antsika eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

Ny fivoriam-be « Panel cacao fin » dia fotoana iray itondran’ireo firenena ny atontan-taratasiny ho tsarain’ireo manampahaizana manokana mikasika ny kakao mba itazomany ny « label cacao fin ». Manana kalitao kakao tsara indrindra erantany i Madagasikara na ilay hoe « label cacao fin 100% ». Izy irery eto Afrika no manana an’io ka hiady ny itazonana izany isika malagasy mandritra hetsika « Panel cacao fin ».

Ampahatsiahivina fa nametraka filatsahan-kofidiana hampiantrano io panel io i Madagasikara, Venezuela ary Perou tamin’ny taona 2022. Nohon’ny fanohanan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny fivoriamben’ny mpikambana ao amin’ny Vondrona Iraisampirenenan’ny Kakao (ICCO), tany Abidjan, Côte d’Ivoire, tamin’ny volana Septambra 2022, dia niantefan’ny safidin’ny mpikambana rehetra i Madagasikara.

Ny Minisitera misahana ny Varotra izay tarihin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy dia tsy nitsahatra nitady izay hampiroboroboana io lalam-pihariana kakao io ary nikatsaka izay mahasoa ireo mpisehatra amin’izany, manomboka any amin’ny mpamboly ka hatrany amin’ny mpanondrana. Betsaka ny fanatsarana natao ary anatin’ny drafitr’asan’ny Komity Nasionaly Kakao ny hampitombo avo roa heny ny vokatra kakao isa-taona. Marihina fa tsy nitsaha-nitombo ny vokatra kakao taona vitsivitsy izay.

Sary DCE

Vous aimerez aussi...