ODOF famokarana menaka any Anjozorobe

???????-?????? ????’???? ???? ???????? ???????? ????’?? ????????? ?? ??????? ?????? ?? ????
“Tandremo tsara an! Tandremo sao matiantoka ireo tantsaha ireo. Mifanaraha tsara amin’izay mety ho vidin’ny soja sy ny voanjo”. Ampahibemaso no nanafaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny mpandraharaha hitantana ny Taninketsa Indostrialy any Anjozorobe androany Alakamisy 28 Marsa 2024 nandritra ny fitokanana ny orinasa famokarana menaka tany an-toerana. Rehefa mihatsara mantsy ny fahefa-mividin’ny tantsaha dia handroso ny firenena satria izy ihany dia efa hahavidy zezika, hahavita mampidi-drano, hahavita ny rehetra rehetra. “Izay ilay lakilen’ny ODOF (One District One Factory)”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra nanoloana ny mponin’Anjozorobe, ireo tantsaha mpamokatra sy mpikambana anaty kaoperativa ary tompon’andraikitra samihafa.
Mamokatra voanjo 15000 taonina isan-taona sy soja 70.000 taonina ny distrikan’Anjozorobe. Antony nanolorana azy ny milina fanamboarana menaka anatin’ny Tetik’asa ODOF izany. Afaka manodina voanjo sy soja hatramin’ny 500 kilao isan’ora ka mamoaka menaka 300 litatra isan’ora ny orinasa.
Hamatsy menaka ny distrika manontolo sy Antananarivo no tanjon’ny ODOF ao Anjozorobe. Hahazo menaka eo an-toerana ny mponina ka hanamaivana ny fahasahiranany eo amin’ny andavanandrom-piainany izany. Tombony lehibe ho an’ireo tantsaha mpamboly sy kaoperativan’ny mpamokatra voanjo sy soja miisa 30 manerana ny distrikan’Anjozorobe koa ny fahazoana ny milina satria milamina izao ny famoahana ny vokatr’izy ireo. Nankasitraka manokana ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra ny mpandraharaha hitantana ny ODOF Anjozorobe, Randimby Mamisoa Toky, noho izany.

Vous aimerez aussi...