ODOF (One District One Factory)

Nitsidika ny toeram-piompiana mamatsy ny milina fanodinana tantely ao Tolagnaro ny Ambasadaoro sinoa miasa eto amintsika
Novelabelarin’ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) tamin’ny Ambasadaoron’i Chine ny momba ny Tetik’asa ODOF any amin’ny Faritra Anosy nandritra ny fitsidihany ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) any an-toerana ny Talata 7 Mey 2024. Teo no ho eo ihany dia naniry ny hijery ifotony ny toerana fiompiana tantely mamatsy ny milina fanodinana tantely ao Tolagnaro ity diplomaty ity ka notanterahana izany.
Tranon-tantely 500 isa sy toeram-panatobiana ireo tantely mbola tsy manara-penitra no hitan’ny Ambasadaoro tao amin’ny kaominina Mandromoromotra, any amin’ny 20 km miala an’i Tolagnaro. Resy lahatra amin’ny tetik’asa ODOF sy ny vokatra tantely izay ahitana ireo hanitra tsy fahita ( miel d’eucalyptus, de baie rose, de litchi..) ny tenany. Naniry koa moa izy ny handraisan’ny Fitaleavam-paritra Anosy anjara amin’ny foaran’i Shanghai zay atao isaky ny volana Novambra any
Shanghai.

Vous aimerez aussi...