One District One Factory (ODOF)

Mirotsaka amin’ny fiarovana ireo Taninketsa Indostrialy manoloana ny fanafarana be loatra ny vokatra efa vokarin’izy ireo ny ANMCC
Mandray ny andraikitra tandrify azy ny Manamahefa-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) hiarovana ireo Orinasa napetraka ho fanatanterahana ny Tetikasa ODOF. Ny Alarobia 28 Febroary sy omaly Alakamisy 29 Febroary 2024 dia ny Orinasa Ampalia Antsirabe I izay manodina ny paoma ho cidre ary ny Kaoperativa Fanirisoa Betafo sy ny Kaoperativa 3MTV Faratsiho izay samy mamokatra chips avy amin’ny ovy no nidinan’ny ekipan’ny ANMCC notarihin’ny Tale Jeneraly, Barthélemy.
Tanjona ny hanangonana atontan’isa hahafahana manao ny fanadihadiana hiarovana ireo orinasa ireo, eo anatrehan’ny fanafarana diso tafahoatra avy any ivelany ireo entana efa vokarin’izy ireo.

Vous aimerez aussi...