Praiminisitra lehiben’ny Governemanta

Araka ny voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia noraisin’ny Filohan’ny Repoblika ny didim-panjakana laharana faha 2024-1456 tamin’ny 12 jolay 2024 manendry an’Andriamatoa NTSAY Christian, ho Praiminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny tolo-kevitra natolotry ny antoko na vondron’antoko maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Vous aimerez aussi...