Sampan-draharaha misahana ny refy sy lanja

Mitety kaominina any amin’ny distrikan’i Manjakandriana ny SML mitsara ireo fitaovam-pandanjana
Ny kaominina Anjepy no nanombohan’ny ekipa avy amin’ny SML na ny Sampan-draharaha misahana ny refy sy lanja eto amin’ny MICC ny fitsarana ny fitaovam-pandanjana isan-karazany. Roa andro, omaly Alatsinainy 22 sy androany 23 Aogositra 2022, no ijanonan’izy ireo any an-toerana. Hitohy ao Ambanitsena izany ny 25 sy 26 Aogositra 2022 ho an’ny kaominina Carion.
Ho an’Anjepy dia mizana Roberval sy mizana elektronika ny ankamaroan’ireo nentina notsaraina. Manana safidy moa ny tompon’ny mizana tsy lany amin’ny fitsarana na hitondra ny fitaovana hamboarina aty Antananarivo na hampanamboatra izany eny an-toerana ihany. Misy mpanamboatra nahazo fankatoavana tonga manokana hanala fahasahiranana ny mponina.

Vous aimerez aussi...