Taninketsa indostrialy: Hanolotra ny ozinina fanodinana tantely ho an’ny faritra Matsiatra Ambony ny Minisitra Edgard Razafindravahy anio

Taorian’Ambositra dia i Fianarantsoa indray no hahita maso ny fitaovana fanodinana tantely (miellerie) anatin’ireo ozinina 75 nafarana anio Zoma 27 Janoary 2023. Nosantarin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny Dinika niarahana tamin’i Prefen’i Fianarantsoa omaly ny diany any an-toerana taorian’ny fitsenana azy niditra ny tanàna. Noresahina tamin’izany ny politikam-panjakana ODOF (One District One Factory) sy ny fanatanterahana azy eto amin’ny faritra Matsiatra Ambony.

Ao amin’ny lapan’ny faritra no ho tontosaina ny lanonana fampahafantarana ny ozinina sy fanaovana ny antso (Appel à projet) amin’ireo mpandraharaha vonona hitantana izany anio maraina.

Sary nomena

 

Vous aimerez aussi...