Taninketsa indostrialy: voatabia 1 taonina isan’ora no aodin’ny Taninketsa Indostrialy ao Ambatondrazaka.

Manomboka mamokatra fa tsy ho haingon-tanàna fotsiny ny milina fanodinana voatabia ao Ambalabako Ambatondrazaka. Afaka mitelina voatabia 1 taonina isan’ora izany ka raha mihodina adin’ny enina isan’andro dia mamoaka vokatra 1 taonina na 1,5 taonina isan’andro. Voatabia voapotsitra azo tehirizina, ketchup na saosy voatabia no azo amin’izany.
Mamokatra voatabia betsaka ny any Ambatondrazaka indrindra fa Ambohitsilaozana, Ambandrika, Feramanga avaratra, Ambohidava, Ambatosoratra sy Ambovory. Tafakatra 16 500 taonina isan-taona ny vokatra. Araka ny fangatahan’ny tantsaha dia natolotra an’Ambatondrazaka ny milina fanodinana voatabia anatin’ny Tetik’asa ODOF(One District One Factory).

Vous aimerez aussi...