Tondrozotra Ekonomika 2019 | Madagasikara – Vondrona Eoropeana
Tontosa ny alatsinainy 6 may teo ny andiany faha-5 tamin’ny Tondrozotra Ekonomika Madagascar – Vondrona Eoropeana izay natao tao amin’ny Carlton Anosy, nitondra ny lohahevitra hoe:” Hainga vaovao ho an’ny orinasa Malagasy”.
Ity fifanakalozan-kevitra niarahan’ny PROCOM nikarakara tamin’ny MICA sy ny Vondrona Eoropeana ity dia nahafahana nanamafy ny fifampiresahana eo anivon’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina teo amin’ireo mpandray anjara mihoatry ny 120.
Fotoana iray nahafahan’ny MICA nampahatsiahy ny anjara andraikiny eo amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ihany koa izy ity ary namaritana ireo lamin’asa iarahan’ny fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina