Vaovao Amoron’i Mania: Nahazo fiofanana momba ny fepetra fanitsiana ara-barotra ny any Amoron’i Mania.

Zava-dehibe ho an’ireo mpisehatra ara-barotra rehetra ny mahafantatra bebe kokoa ny andinidininy mikasika ireo fepetra fanitsiana eo amin’ny sehatry ny varotra. Izany indrindra no nahatonga ny fiaraha-miasa teo amin’ny DRICC Amoron’i Mania, ny ANMCC (Manamahefa-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra) ary ny FCCIM (Federasion’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara) amin’ny fanomezana fiofanana ho an’ireo mpisehatra ara-barotra ny 21 febroary 2023 tao amin’ny Distrikan’Ambositra. Mpisehatra miisa manodidina ny 54 (nahitana solotena avy ao amin’ny prefektiora, ny solotenan’ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambositra, ny Talen’ny Kabinetra ny Governora, ny Sekretera Jeneralin’ny Ben’ny tànana, ny mpandraharaha ary ny kaoperativa) no nisitraka izany fizarana izany ka niompana tamin’ny fanazavana ireo fepetra hiadiana amin’ny fivarotana amin’ny vidiny ambany noho ny tokony ho izy (mesures anti-dumping) ; ny fepetra fanonerana (mesures compensatoire) ; ny fepetra fiarovana (mesures de sauvegarde) ary ny fepetra takiana amin’ny fampiarana.

Natao moa ity fiofanana ity mba hampirindra ny sehatra ara-barotra ary hisian’ny fifaninanana madio. Miezaka hatrany ny rafi-pitantanana isan-tsokajiny manatanteraka ny anjara andraikiny manoloana izany.

Sary DRICC

 

Vous aimerez aussi...