Vaovao Songadina avy any amin ‘ny Faritra Atsinanana sy Melaky

Mitohy hatrany ny fanamarinana sy fitsarana ireo fitaovam-pandrefesana sy fandanjana isan-karazany anatin’izao volon’andro fety izao.

?ATSINANANA : Nidina tany Sainte-Marie Faritra Analanjirofo ny avy amin’ny Sampandraharaha momba ny Refy avy amin’ny DRICC Atsinanana tamin’ny herinandro lasa iny. Tamin’izany no namehezana ny “cuve” tao amin’ny tombin-tsolika TOTAL Sainte-Marie. Izany dia nahafahana nanamarina ny cuve ho ara-dalàna manaraka ny fenitra.

?MELAKY : Manatanteraka fitsarana fitaovam-pandanjana ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Maintirano ny DRICC Melaky amin’izao fotoana izao. Maro ireo mpivarotra no efa tonga nitondra ny fitaovam-pandanjana fampiasany. Mbola manentana izay tsy mbola nahavita ny Fitalevam-paritra mba hanao izany ho fitsinjovana ny mpanjifa an yamin’ny Faritra Melaky sy ho fampanaran-dalàna ireo mpivarotra.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...