Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Bongolava sy Atsinanana

Tsy mikely soroka amin’ny fanofanana ny kaoperativa ny eny anivon’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) samihafa

?ALAOTRA MANGORO: Kaoperativa roa misehatra amin’ny famokarana masomboly sy fambolem-bary indray no nisitraka fiofanana mahakasika ny Lalàna mifehy ny kaoperativa, ny fitantanana fikambanana ary ny fahaiza-mitarika ny 22 sy 24 Aogositra lasa teo. Tsy iza moa ireo fa ny Kaoperativa TSARAVOHI MIRAY ao Ambahiboho Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola, ahitana mpikambana miisa 30 sy ny Kaoperativa MIARO ao Ambatomanga Morarano Chrome ihany, ahitana mpikambana 23. Ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny JICA izany rehetra izany.

?BONGOLAVA: Tafatsangana ny Orinasa kaoperativa FITAHIANASOA ho mpamokatra voanjo sy voamaina matihanina. Mpikambana ao ireo tantsaha avy ao Ambatobe Ferme any amin’ny kaominina ambanivohitra Belobàka distrika Tsiroanomandidy. Nomen’ny DRICC fiofanana ny solontenan’izy ireo ny Alakamisy 31 Aogositra 2023.

?ATSINANANA: Maniry hivadika ho kaoperativa ireo VOI (Vondron’Olona Ifotony) izay fikambanana mpiaro ny atiala any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalabe distrika Vatomandry. Miisa 40, lehilahy 20 sy vehivavy 20, izy ireo no nofanin’ny Fitaleavam-paritra (DRICC).

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...