Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Anosy, Analanjirofo ary Menabe

?ANOSY: Mandritra ny efatra andro, ny 06 ka hatramin’ny 09 Septambra 2024, no ampidinana ireo entana entin’ilay sambo mitondra simenitra 10 000 taonina sy vary 500 taonina ao amin’ny Seranantsambon’i Ehoala any Tolagnaro. Fiara mpitatitra 24 sy dokera 150, miasa andro aman’alina, no manao ny asa. Izay entana tafidina eo no anjaran’ny Faritra Anosy. Izany no tanteraka dia vokatry ny dinika teo amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Anosy sy ny tompon’andraikitry ny Seranantsambo ao Ehoala ny Zoma 06 Septambra 2024.
?ANALANJIROFO: Nanapa-kevitra ny hivondrona ireo kaoperativa 4 any amin’ny Distrikan’i Vavatenina dia ny kaoperativa MIARADIA, TSY LANY TSARA, EZAKA ary TSINJO. Resy lahatra amin’ny mahatsara izany fivondronana izany izy ireo taorinan’ny fanentanana natao. Nomen’ny DRIC Analanjirofo fihofanana manokana izy ireo hisian’ny famatorana kokoa sy hananan’izy ireo toky fa eo mandrakariva ny fitondram-panjakana manohana izay ezaka ataon’izy ireo.
?MENABE : Manomboka maritoerana ny vidim-bary any amin´ny Distrikan´i Morondava sy Belo/Tsiribihina. Manomboka miakatra mantsy ny voka-bary asotry avy any Belo amin´izao fotoana izao ka mamatsy ny tsenan´i Morondava. Any amin’ny volana Oktobra any vao vokatra ny vary any amin´ireo distrika 4 hafa any Menabe. Nanatanteraka fidinana ho fanaraha-maso ny vidim-bary eny an-tsena ireo mpanara-maso ny varotra avy amin’ny DRIC Menabe ny Sabotsy 07 Septambra 2024. Efa betsaka ireo vary amidy amin´ny 850Ar/kp ao an-tsenan´i Morondava.
SARY DRIC

Vous aimerez aussi...