MICC AMBOHIDAHY: Andiana mpandraharaha hafa indray no tonga nanolo-tanana ny traboina
Orinasa ao anatin’ny sehatra tsy miankina miisa telo indray no namaly ny antso nataon’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ka nanatitra ny anjara birikiny ho an’ireo traboina androany 28 janoary 2022 tetsy Ambohidahy: orinasa SIRAMA, TAF ary ny orinasa Rakotondrambola Nivoalindranto.
SIRAMA: vary amin’ny gony 50kg miisa 20, siramamy amin’ny gony 50kg miisa 8, baoritra savony miisa 70
TAF: baoritra misy kafe vovony miisa 20, baoritra misy dite vovony miisa 4, baoritra misy siramamy anaty fonosana miisa 1, baoritra misy dite vovony tsotra miisa 20
Orinasa Rakotondrambola Nivoalindranto : baoritra ahitana karazan’entana miisa 102 toy ny savony Duru , sotro vita plastika , savony fandroana , ody Moka mosquitos , penina fanoratana ary rasoirs.
Haterina avy hatrany eny amin’ny Foiben’ny BNGRC androany hariva ireo tolo-tanana ireo.