Taninketsa Indostrialy

Hiroso amin’ny andrana teknika ny milina fanodinana siramamy any Antanamifafy
Taorian’ny fanodinana voanjo ho lasa menaka any Ambatofinandrahana dia hiroso amin’ny andrana teknika koa ny milina fanodinana fary ho siramamy any Antanamifafy Ambalakida any amin’ny distrikan’i Mahajanga II. Teknisiana indiana avy amin’ny orinasa Apollo no nafaran’ny Minisitera misahana Fampiroboroboana ny Indostria (MICC) hiandraikitra ny famitana ny fametrahana ny ozinina sy ny fanaovana ny andrana teknika. Notarihin’ny Talem-paritra DRICC Boeny sy ny Tale Jeneralin’ny Foibe misahana ny Fary sy Siramamy na CMCS moa ireto Indiana ireto omaly Alarobia 20 Aprily 2022 nijery ny milina ao Antanamifafy sy ny fambolena fary manodidina. “Taninketsa Indostrialy iray tafapetraka dia midika fandresena iray”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny Talata lasa teo nandritra ny fitarihany ny fivoriana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny minisitera foibe sy any amin’ny Fitaleavam-paritra manerana ny nosy.
Sary DRICC Boeny

Vous aimerez aussi...