Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Bongolava, Ihorombe sy Atsinanana: Tsy mikely soroka amin’ny fanofanana ireo mpikambana amin’ny kaoperativa ny DRICC

?BONGOLAVA : Nitondra fampiofanana ho an’ireo solontenan’ireo kaoperativa telo avy ao Andranomirafy sy Fenoarivobe ny DRICC ny 14 Desambra 2022. Nifototra tamin’ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny kaoperativa, ny fitantanana notsorina sy ny kolontsaim-pandraharahana izany. Niharan-dozam-pifamoivoizana moa ny Talem-paritra (DRICC) Bongolava sy ny lehiben’ny Sampandraharaha niara-dia taminy raha iny nihazo an’i Fenoarivobe iny. Tontosa ihany ny iraka rehefa nahazo fitsaboana tany amin’ny hopitalin’i Fenoarivobe izy ireo.

?IHOROMBE : Tao amin’ny Biraon’ny CCI Ihosy kosa no nisitraka fampiofanana ireo mpikambana 14 avy amin’ny Kaoperativa MAHASAROMBAKY izay misehatra amin’ny fampiasana « Kinga » na « Bajaj », fitateram-bahoaka ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Ihosy sy Kaominina ambanivohitra Ankily. Nohazavain’ny ekipa mpampiofana ao amin’ny DRICC Ihorombe ny 16 desambra 2022 lasa teo izay rehetra tsara ho fantatra momba ny kaoperativa sy ny tombontsoa azo aminy.

?ATSINANANA : Vondron’olona ifotony avy amin’ny kaominina fito no samy tonga tao amin’ny kaominina Sahambala. Nandritra ny 4 andro no nanomezana azy ireo fampiofanana ahafahany manangana kaoperativa. Marihana fa ireto vondron’olona ireto dia tsy mba manana mpiara-miombon’antoka fa ny fahavononan’izy ireo no nanosika azy hiofana.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...