Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Melaky sy Ihorombe

?MELAKY: Niara-dalana tamin’ny Minisitra misahana ny Fambolena sy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Banky Eoropeana momba ny fampiasam-bola (BEI) ny Sekretera jeneralin’ny MICC, Onja Miandry Rakotondramanana tamin’ny fitsidihana tany amin’ny faritra Melaky. Izany dia ho fanohanana ny asa famokarana sy fampandrosoana izay ataon’ny orinasa SAHANALA izay misehatra amin’ny fambolena sy fanodinana katsaka sy vary any amin’ny Distrikan’ny Maintirano. Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny

#Velirano 7 sy 9 nataon’ny Filoham-pirenena.

?IHOROMBE: Anisan’ny nandray anjara tamin’ny dinidinika niarahana tamin’ny Tale misahana ny Fitarainanana amin’ny Filoham-pirenena tao Ihosy ny Talem-paritra (DRICC) Ihorombe ny Zoma 14 Jolay 2023. Teo koa ny OMC eo an-toerana, ireo Ben’ny Tanàna maro manerana ny Faritra Ihorombe, ny Talem-paritra isa-tsokajiny, ny Filohan’ny CCI Ihorombe ary ireo Sefo Fokontany ao amin’ny Kaominina Ambonivohitr’Ihosy. Fijerena ny olana misy any ifotony amin’ny alalan’ny fihainoana ny maharary ny vahoaka, ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny no tena votoatin’ny fihaonana.

Sary Nomena

Vous aimerez aussi...