Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Vakinankaratra, Atsimo Andrefana ary Atsinanana: Miomana fatratra amin’ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ny Fitaleavam-paritra (DRICC)

?VAKINANKARATRA : Tafajoro ny CRCO FREDDY Vak23 ka mandray anjara ao anatin’izany ny DRICC Vakinankaratra. Nidina nijery ifotony ny tahirin’entana teny amin’ireo mpivarotra mpamongady ao Antsirabe ireo mpanaramaso ny varotra avy amin’ny DRICC Vakinankaratra. Hita fa misy ary betsaka ireo entana ilaina andavanandro. Nisy ihany koa ny fifampiresahana tamin’ireo mpamongady ireo ny tsy hahatapaka ny famatsiana hisorohana ny tsy fisian’ny entana eny an-tsena. Mitohy ny fanara-hamaso ny vidin’ny entana eny an-tsena mba hiadiana amin’ny fanararaotana.

?ATSIMO ANDREFANA : Toy izao ny tahirin’entana PPN any an-toerana araka ny antontan’isan’ny DRICC : Vary 33.035 taonina, Siramamy 4.722 taonina, Lafarina : 2.320 taonina, Menaka amin’ny bidao 20 litatra : 48.210 isa, Menaka mihidy 1 litatra : 4.800 tavoahangy. Hatreto dia mifarimbona amin’ny OMC sy BNGRC ny DRICC amin’ny asa tsy maintsy atao.

?ATSINANANA : Manana tahiry vary nafarana hatramin’ny 50 000 taonina ny any Toamasina manokana ary marin-toerana ny vidiny ka tokony ho tony ny rehetra. Ny Alatsinainy 20 Feboary 2023 dia nisafo teny an-tsena ny mpanara-maso ny varotra eo anivon’ny DRICC. Nisy ihany koa ny fivoriana niarahana tanim’ny GRC ny Sabotsy 18 Febroary 2023 nandinihana ny fandraisana ireo fepetra mahakasika ny fidiran’ny rivodoza Freddy any amin’ny faritra Atsinanana.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...