Varotra anatiny: ho hentitra amin’ny fitsinjarana ny PPN ny mpandraharaha hampihenana ny elanelana eo amin’ny mpanafatra entana sy ny mpanjifa

Hamafisina ny lalan’ny fitsinjarana (circuit de distribution) mba hampihenana ny elanelana misy eo amin’ny mpanafatra entana mandra-pahatonga eny amin’ny mpanjifa. Tsy maintsy misy ny taratasy fanamarinana ny nividiana entana na faktiora hisorohana ny mety ho fanararaotana amin’ny fampiakaram-bidy. Nivoitra izany tamin’ny fivoriana natao omaly Talata 18 Aprily 2023 tetsy amin’ny MICC Ambohidahy. Nandray anjara tamin’izany ireo mpanafatra entana, mpamongady, mpaninjara, ny lehiben’ny tsena ary ny fikambana mpiaro ny zon’ny mpanjifa.

Naneho ny fahavononany hatrany ireo mpivarotra, indrindra indrindra ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa amin’ny fanoloran-tanana ny Ministera mba ho fitsinjovana ny mpanjifa.

Sary DCI

 

Vous aimerez aussi...