Varotra sy fanjifana: Manohana hatrany ny sehatra tsy miankina ny MICC ho fampiroboroboana ny varotra anatiny sy fanomezana kalitao tsara ho an’ny mpanjifa eto Madagasikara.

Tontosa androany 10 novambra 2022 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny tranom-barotra « Super U » voalohany tetsy Analakely. Notsindrian’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity tranom-barotra lehibe ity fa fanombohana ihany ity androany ity ary mbola hisy ny fitokanana ireo tranom-barotra « Super U » amam-polony manerana ny Nosy. Izany no natao ho fanatsarana ny tolotra sy famaliana ireo filàn’ireo mpanjifa eto Madagasikara.
« Manohana hatrany ny sehatra tsy miankina ny MICC ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa sy ho fanomezana azy ireo kalitao tsaratsara kokoa ary indrindra manaraka ny fahefa-mividin’izy ireo. Manatanteraka avy hatrany ireo Velirano napetraky ny Filoha Andry Rajoelina izao fampiasam-bola izao. Sady manome asa mendrika ho an’ny rehetra ary mampitombo ireo tolotr’asa ; mampiroborobo ny indostria amin’ny alalan’ny fandraharahana sy ny fanodinana ny vokatra ifotony ka mitondra makany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. » hoy ny Sekretera Jeneraly eto amin’ny MICC, Rakotondramanana Onja Miandry nandritra ny fitokanana androany.
Notsindriany manokana ny anjara toerana lehibe sahanin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana ireo fanamby napetraky ny Fanjakana Malagasy ireo.
Zava-dehibe ny famokarana ifotony ireo filàn’ny mponina ary koa ny fiantohana ny famatsiana maharitra eo amin’ny tsena anatiny.

Vous aimerez aussi...