Vokatra avy amin’ny taninketsa indostrialy

Ho hita eny amin’ireo toeram-pivarotana lehibe ny vokatry ny Taninketsa Indostrialy atsy ho atsy.

Nambaran’ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC), Isidore Razanakoto nandritra ny famaranana ny fankalazana ny Andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika (JIA) ny tsy maintsy hikarakarana ny atonta-taratasy ahafahana mivarotra ireo vokatry ny Taninketsa Indostrialy eny amin’ny toeram-pivarotana lehibe. Raha toa ka efa hita eny amin’ny mpaninjara izany vokatra izany toy ny mena-boanjo avy any Analavory sy ny ketchup avy any Ambatondrazaka.
Nanamarika ny JIA 2023 ny fandraisan’anjaran’ireo orinasa Taninketsa Indostrialy toy ny “Lycoper” mpamokatra ny ketchup avy any Ambatondrazaka sy “Nobel Fleur” mpamokatra mena-boanjo avy any Analavory tamin’ny fijoroana vavolombelon’ny fahombiazana nanoloana ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha sy vao misandratra.
Mitohy hatrany ny fanohanan’ny MICC azy ireo. Ny dingana manaraka dia ny fikirakirana ireo atonta-taratasy ahafahan’ny mpanjifa misitraka ireo vokatry ny Taninketsa Indostrialy eny amin’ny toeram-pivarotana lehibe. Tanjona napetraka moa ny ahitan’ny mpisehatra rehetra ny tombontsoany dia ny tantsaha mpamboly, ny kaoperativa mpamatsy, ny orinasa mandinika mpanodina, ny Rafi-panjakana ary ny mpanjifa izany.

Vous aimerez aussi...