Vondron’ny tany mpamokatra lavanila

Resin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy lahatra amin’ny hivondronana anaty rafitra iray manan-danja ireo Firenena lohalaharana amin’ny famokarana lavanila eran-tany
Naneho fahavononana avy hatrany hiara-hanangana izany rafitra lehibe izany ny solontenan’ireo tany mpamokatra lavanila toa an-dry Ouganda, Papouasie Nouvelle Guinée, Comores. Anisan’ireo tombontsoa ho azo amin’ny fijoroan’ity Vondrona ity ny fahamarinan-toeran’ny vidin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny fampiroboroboana sy ny hisian’ny fampandrosoana maharitra eo amin’ilay seham-pihariana, ny fahitana tsena vaovao ary ny fampahafantarana amin’ny mpanjifa maneran-tany ny lavanila tena mbola natoraly.
Tany Abou Dhabi, renivohitry ny Emira Arabo Mitambatra, no namorian’ny Minisitra malagasy misahana ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) Edgard Razafindravahy ireo Minisitra sy solontena avy amin’ireo firenena mpamokatra lavanila ireo ny Alatsinainy 26 Febroary 2024. Nohararaotiny ny Fihaonam-ben’ny Minisitera andiany faha-13 ho an’ny Vondrona maneran-tany momba ny Varotra (OMC) ahafahana mifanatrika mivantana amin’izy ireto mpamokatra lavanila ireto. “Raha mahakasika ny vidin’ny lavanila, ity rafitra ity dia ahafahana mametraka fomba fiasa hametra ny vidiny arakaraky ny kalitaony”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny famelabelarany nanoloana ny Minisitry ny Varotra, ny Indostria ary ny Kaoperativa avy any Ouganda, Harriet Ntabazi; ny Minisitra avy any Papouasie Nouvelle Guinée, ny Minisitry ny Toekarena, ny Indostria ary ny Fampiasam-bola avy atsy Comores, Ali Bazi Ahmed, ary ireo tompon’andraikitra hafa ihany koa.
Ho an’ny resaka fampandrosoana maharitra indray dia ho dinihina miaraka ny fampiroboroaboana ny fomba fambolena, manomboka eo amin’ny mpamokatra hatrany amin’ny mpanjifa. Hanome antoka ny hatsaran’ny kalitao sy hahazoan’ny mpamboly tombony araka ny tokony ho izy. Lalan-tsaina fanantitrantitry ny Ministra moa ny hitsinjovana ny hatrany ny tantsaha mpamokatra hahazoan’izy ireo tombony amin’ny seha-pihariany.

Vous aimerez aussi...