26 avrily, Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaka-manana ara-tsaina (JMPI)

Ny tanora sy ny fizaka-manana ara-tsaina mahita vao ho an’ny ho avy tsara kokoa.
Ny OMAPI na Ivon-toerana Malagasy ho an’ny Fizaka-manana ara-tsaina dia mandray anjara miaraka amin’ny MICC (Minisitera mpiahy ny rantsana) amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny indostria ary indrindra amin’ny fanohanana ny fanodinana ifotony amin’ny alalan’ny fikarohana eo anivon’ny tanora.
“Mampirisika ny tanora ny minisitera hiroso sy hiditra lalina kokoa eo amin’ny sehatry ny fikarohana vao ka ampiditra izany eo amin’ny OMAPI ho fampandrosoana ny firenena. Tafiditra ao anatin’ny fanamby entin’ny MICC mandroso ny fanohanana ny fizaka-manana ara-tsaina indrindra ho an’ny tanora,”hoy ny Tale Jeneralin’ny Indostria, Ramindo Gaëtan androany teny amin’ny foiben-toerany OMAPI Ambanidia.

Vous aimerez aussi...