Famatsiana PPN:Ho tsinjaraina mivantana eny anivon’ny mpaninjara eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny siramamy Namakia avy eo amin’ny orinasa SPM

Tsiahivina fa 2750Ar isaky ny kilao no hanjifan’ny mponina eny amin’ny mpaninjara an’ity siramamy Namakia ity. Nijery izany siramamy izany teny amin’ny toeram-panatobian’ny SPM entana ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany. Efa ho avy ihany koa hoy ny Minisitra ny siramamy Ambilobe hiarahan’ny MICC miasa amin’ny SPM hanamaivana sy hanomezana lanja ny vokatra avy eto an-toerana. Efa hita koa fa manomboka miakatra ny voka-bary eto amintsika ka hoesorina tsikelikely ny Vary Tsinjo.
Nohamafisin’ny Minisitra ihany koa fa amin’ity taona ity dia hisokatra ary hamokatra avokoa ireo ozinina mpamokatra siramamy toy ny any Brickaville, Antanimifafy ary Mahatalaky.

Vous aimerez aussi...