Fampandehanana ny tetikasa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra atsimo andrefana

Natomboka avy hatrany ny fampiofanana ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetikasa PTASO
Haharitra roa andro ny fampiofanana omen’ny avy ao amin’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD). Nanomboka androany 27 Septambra ka hifarana rahampitso 28 Septambra 2022. Miompana tanteraka amin’ny fampandehanana ny tetikasa ny fiofanana ary misitraka izany ny avy eto amin’ny MICC dia ny Foibem-pitantanana ankapobeny misahana ny fampiroboroboana ny indostria (DGI), ny Foibem-pitondrana misahana ny tetikasa sy fiaraha-miasa isan-tsokajiny (DPP) ary ny DRICC Atsimo Andrefana miaraka amin’ireo teknisiana manokan’ny tetikasa PTASO.
Lohahevitra efatra mazava tsara no hifampizaran’izy ireo mandritra ny roa andro :
– Tanjona sy anjara asan’ny BAD
– Fomba fitantanam-bola sy dingana tsy maintsy arahina amin’ny famoaham-bola
– Fandraketana ny tsenam-draharaha sy ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny fividianan-javatra
– Fitandroana ny tontolo iainana sy ny ara-tsosialy sy ireo dingana takiana amin’ny fitantanana izany
Natao izao fiofanana izao ahafahana miroso haingana sy maharitra ary manaraka ny fepetra rehetra ara-dalàna takiana amin’ny fampandehanana ity tetikasa ity. Mandray anjara feno amin’ny Velirano miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampiroboroboana ny indostria ny PTASO.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...