Faritra Vakinankaratra: Ozinina lehibe roa hamokatra provandy no hiodina ao Andranomanelatra amin’ny 2023

Efa any anaty sambo ireo fitaovana hananganana ny ozinina ary efa ao anatin’ny fanitarana ny trano hitoerany ny tompon’andraikitra. Vinan’ny Orinasa SOAFIARY ny hametraka masinina lehibe roa hamokatra provandy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomanelatra, distrikan’Antsirabe II.
Ny iray voalohany dia hanodina sakafon’omby, kisoa ary akoho ka tombanana hamokatra 2 taonina isan’ora. Ny faharoa kosa dia hamokatra provandy ho an’ny trondro, saka ary alika 750 kilao isan’ora.
Nitsidika ny Orinasa SOAFIARY moa ny DRICC Vakinankaratra. Tamin’izany no nahafantarana fa efa mikarakara ny fahazoan-dalana izy ireo ankehitriny ary heverina fa manomboka amin’ny enim-bolana voalohany amin’ny taona 2023 dia efa hiasa ireo ozinina ireo.
Soja sy katsaka no akora fototra ho ampiasainy amin’ny famokarana provandy.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...