Varotra ivelany

Nahafa-po ny fanohanana nentin’ny Fandaharanasa CIR (Cadre Intégré Renforcé) ho an’i Madagasikara
Nentin’ny Mpandrindra eto anivon’ny firenena ny Fandaharanasa CIR, Paulin Zambelongo avy any Genève teo amin’ireo mpikambana anatin’ny Komity mpitantana nasionalin’ny CIR ny vokatry ny fanohanana nataon’ny tetikasa teto Madagasikara nandritra ny dingana voalohany sy faharoa. Tetsy amin’ny Havana Resort Ambohidahy no nanaovany izany omaly Alakamisy 15 Febroary 2024. Isan’ny fanohanana nataon’ny CIR ny famatsiam-bola ny fametrahana ny Vavahadin-torohay fampahalalana ara-barotra (Portail d’information commercial) hanampiana ireo mpandraharaha ara-barotra eo amin’ny asan’izy ireo. Teo ihany koa fisitrahan’ireo teknisiana teto anivon’ny MIC fampiofanana hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Nanamafy ny Mpandrindra eto anivon’ny firenena ny Fandaharanasa CIR avy any Genève fa hijery ny fanatsarana izany fanohanana izany mandritra ny dingana anelanelany mialoha ny hidiran’ny CIR amin’ny dingana fahatelo.
Hojerena, hoy izy, ny fanampiana an’i Madagasikara eo amin’ny seha-pihariana lavanila toy ny natao tamin’ny Nosy Comores izay nanaovana fandinihana manokana sy matihanina. Notononiny manokana ny fihaonan’ireo lohalaharana amin’ny famokarana lavanila toa an’i Madagasikara, Ouganda, Nouvelle Papouasie amin’ny Fihaonambe faha-13 ho an’ny minisitera eo anivon’ny Fikambanana maneran-tany momba ny varotra (OMC) ny 26 ka hatramin’ny 29 Febroary 2024 any Abu Dhabi renivohitry ny Emira Arabo Mitambatra.

Vous aimerez aussi...