FANATANTERAHANA NY FANDAHARAN’ASA INDOSTRIA MANAKAIKY DISTRIKA (ODOF)

Nitohy ny 10 jona 2021 lasa teo tany amin’ny distrika Manakara, Faritra Vatovavy Fitovinany, ny dian’ireo delegasion’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana tao aorian’ny distrika Mananjary raha tany amin’ny faritra Ihorombe sy Boeny kosa tamin’ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa mbola ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa Indostria manakaiky Distrika (ODOF) hatrany izao fidinana ifotony izao ho fanohanana ara-teknika ireo orinasa mandinika sy salantsalany eny anivon’ny faritra sy ny distrika ary indrindra ho fanatanterahana ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena ny amin’ny famokarana eto an-toerana ireo filan’ny vahoaka, fampiroboroboana ny indostria, fanomezana sy famoronana asa mendrika ho an’ny rehetra.
Noho izany dia nisitraka singa famokarana menaka azo avy amin’ny zava-maniry (huile essentielle) ny orinasa Soava Agriculture Manakara, misehatra ao anatin’ny fambolena zanakazo sy famokarana menaka azo avy amin’ny zava-maniry, izay ahitana fitaovana entina hanampiana ny orinasa ho fampiroboroboana ity sehatr’asa manan-danja ara-toekarena ity. Ny faritra Vatovavy Fitovinany izany marihana fa manan-karena akora voan-janahary azo haodina izay isan’ny fampiroboroboana ny vokatra ifotony.
Ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana dia miara-miasa akaiky hatrany amin’ireo manam-pahefana ifotony eny anivon’ny faritra sy ny distrika mikasika ny fitrandrahana ireo orinasa mandinika sy salantsalany ho tohanana amin’ny alalan’ny fandaharanasa Indostria manakaiky Distrika.

Vous aimerez aussi...