Ady amin’ny kolikoly fanentanana ny mpiara-miasa eto amin’ny MICC

Ny Sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly (DAILAC) eto anivon’ny MICC, dia nanatanteraka fanentanana mikasika ireo teboka lehibe ifantoan’ny sampan-draharaha misy eto anivon’ny minisitera ny 04 jolay 2023 lasa teo. Ny tanjon’izany dia ny hifampizarana ireo endrika kolikoly misy ary koa ny lahatsoratra sy andininy ao anatin’ny lalàna mba hahafantaran’ny rehetra ny zony. Manohy hatrany ny fanentanana sy fanomezana tolotra ho an’ireo sampan-draharaha hafa mba hahazoana asa tsara anatin’ny mangarahara tanteraka ny DAILAC. Miara-miasa akaiky amin’ny Bianco moa ity sampan-draharaha ity mba hahafahan’ny tsirairay miady amin’ny kolikoly ho fampandrosoana ny firenena.

Vous aimerez aussi...