Akon’ny fananganan-tsaina

Tontosa androany 04 Avrily 2022 tetsy Ambohidahy ny fananganan-tsaina teto anivon’ny MICC ho an’ity volana itsahina ity. Fotoana nifampizarana ireo asa lehibe imasoan’ny Minisitera ankehitriny dia ny fampiharana ny lalàna ho amin’ny famerana ny vidin’ny entana ambony indrindra sy ny tombony azon’ny mpivarotra alaina.
“Tompon’andraikitra avokoa isika rehetra amin’ny fiarovana ny mpanjifa indrindra mahakasika ity fampiharana ny famerana ny vidin’ny entana ambony indrindra ity.” hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Nirary soa ho an’ny mpiara-miasa rehetra ihany koa ny Minisitra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao.

Vous aimerez aussi...