Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI): Voafidy ho mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Faritra Ihorombe ireo kandida avy amin’ny FMI

Vato 96 amin’ny mpifidy voasoratra anarana 218, izany hoe 44,03%, azon’ny FMI (Fikambanan’ny Mpandraharaha any Ihorombe) dia ampy hakany ny toerana rehetra ho an’ny mpikambana maharitra eo anivon’ny CCI Faritra Ihorombe. Lisitra kandidà tokana ihany mantsy no voarain’ny mpikarakara fa hifaninana amin’ny fifidianana.
Tontosa ny Zoma 09 Desambra 2022 ny latsa-bato nifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra sy hitantana ny CCI any amin’ny faritra Ihorombe . Nisokatra tamin’ny 6 ora sy sasany marina ny birao fandatsaham-bato ary nifarana tamin’ny 5 ora hariva. Toerana telo no nanatanterahana ny fifidianana dia tao amin’ny ny Kaominina Ambonivohitra Ihosy, ny Kaominina Ambanivohitra Ranohira ary ny Kaominina Ambanivohitra Andohan’Ilakaka.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...