Entana mampiahiahy tao Toamasina, nandraisana fepetra

Taorian’ny nahazoan’ny teto anivon’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotraary ny Asa Tanana ny vaovao milaza fa misy entana tsy azo antoka niditra taoamin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina, dia nidina vonjimaika tao an-toerana nanamarina izany ny tompon’andraikitra tamin’ny herinan’andro lasa teo. Marihina fa olon-tsotra no loharanom-baovao nahafahana nanatanteraka izao fijerena ifotony izao. Tratra nandritra ity fidinana ity ny kitapo maro nahitana vary tsy azo antoka milanja 430 taonina avy any SAVA nihazo an’ny Toamasina. Tafavoaka ny seranantsambo izy ireto ary hita tao amin’ny toeram-pitehirizana izay mpandraharaha iray no tompony.
Ankoatr’izay rehefa nandeha ny fizahana samihafa teny an toerana dia nahita lafarinina maherin’ny 52 taonina koa tratra natoby tamina toerana roa samihafa. Noraisina ny fepetra izay efa voapetraka eto anivon’ny Ministera ka natao ny fitiliana izay nanamarina fa efa tsy azo amidy na ampiasaina intsony ireto entana ireto. Efa nivaly io fitiliana io ary efa eto am-pelatananay tompon’andraikitra eto amin’ny Ministera ny taratasy ofisialy “certificat de non consommabilité” manambara fa tsy azo hoanina intsony izy ireo. Araka izany dia nofatorana mba tsy hiparitaka intsony ireo vary sy lafarinina ireo.
Tsy mitsahatra ny fanaraha-maso ataon’ny Ministera ka tamin’ny faran’ny herinandro teo dia mbola nahatratrarana vary mampiahiahy indray milanja 28 taonina indray tany Toamasina. Tiana ho marihana ihany koa fa izao no vita dia nohon’ny nisian’ny fiarahamiasa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teny amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina, ny “commissariat special” sy ny zandary teny an-toerana ary olon-tsotra mizara vaovao.
Manamafy ny fanentanana ny mpanjifa ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa Tanana, tarihin – dRamatoa Ministra, mba hitandrina amin’ny fotoana rehetra amin’ny sakafo hoanina amin’ny andavanandro. Koa dia manasa antsika mpiara-monina, mpiara-belona rehetra hiara-hiasa sy hiara-hientana ho fitsinjovana ny fahasamalanan’ny besinimaro ka hampandre ny sampandraharahan’ny Minisitera akaiky azy raha toa ka mahatsikaritra trangan-javatra toy izao na koa mahita entana mampiahiahy miparitaka eny an-tsena.

Sekretera Jeneraly
Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana

 

Vous aimerez aussi...