Fakan-kevitra an-tserasera

Hanohizana ny dingana vita tamin’ireo Diniky iarahan’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina (DPP) sy ny Andro natokana ho an’ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria ny 24 ka hatramin’ny 26 Mey 2023, dia misy ny fakan-kevitra an-tserasera ahafahana mandrafitra ny Fifanarahana ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, iarahan’ny MICC sy ny EDBM miasa.

Misy, araka izany, ny fanontaniana angataham-baliny ahafantarana ny fomba fijery sy tolo-kevitra avy amintsika indrindra momba ny tari-dalana stratejika, ny andraikitra andrasana amin’ny ankolafy isanisany ary ny famaizana azo ampiharina raha misy ny tsy fahatanterahan’izany.

Azonao atao ny mameno takelaka misy ny fanontaniana amin’ny « format Word » ary mamerina izany amin’ny mailaka alohan’ny 15 Jona 2023, na mamaly ny fanontaniana an-tserasera amin’ny alalan’ny « QR Code » na ity rohy manaraka ity : https://forms.office.com/r/zkU72V2VxT

Ampahatsiahivina fa ho tanterahina ny 27 sy 28 Jona 2023 ny Atrikasa fankatoavana ny volavolam-pifanarahana ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...