Famatsiana ny mponina: Vary Tsinjo 50,75 taonina sy siramamy Namakia 1,8 taonina no notsinjaraina teto an-drenivohitra omaly

Tsy mitsahatra ny fanaterana ny Vary Tsinjo sy siramamy Namakia eny amin’ireo mpivarotra mpaninjara eto Antananarivo sy ny manodidina.

Omaly Talata 28 Febroary 2023 dia mpivarotra atsinjarany 207 any anatin’ny fokontany 62 no nahazo Vary Tsinjo. Amidiny 650 Ar moa ny kapoaka amin’izany vary izany.

Mpivarotra 36 any amin’ny fokontany 19 kosa no nanaterana siramamy Namakia izay amidiny amin’ny mpanjifa amin’ny 3800 Ar ny kilao.

Manara-maso hatrany ny fitsinjarana ny Vary Tsinjo sy ny siramamy Namakia ho an’ny mpivarotra sy ny mpanjifa ny MICC.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...