Fifidianana eny anivon’ny antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI):Lany ho filohan’ny CCI Mahajanga ny mpandraharaha Eustratiou Mourad

Eustratiou Mourad. Izy indray no hitantana ny CCI Mahajanga miaraka amin’ireo filoha lefitra 3 sy ireo mpanolo-tsaina. Nahavita ny fifidianana birao ireo mpikambana maharitra miisa 20 omaly. Apetraka amin’ny toerany amin’ny fomba ofisialy any Mahajanga amin’ity vaninandron’ny 04 Novambra 2022 ity moa ny birao vaovao. Amin’ireo mpikambana 8 ao amin’ny birao dia ny 4 avy amin’ny kolejin’ny servisy, ny 3 avy amin’ny varotra ary ny 1 avy amin’ny kolejin’ny indostria.
Ireo mpikambana ao amin’ny birao vaovaon’ny CCI Mahajanga :
-Filoha : EUSTRATIOU Mourad
-Filoha lefitra (Varotra): RAZAFINTSALAMA Nivohanitra
-Filoha lefitra (Servisy): PATEL Abasse
-Filoha lefitra (Indostria): RASOANAIVO Mirantsoa Thierry
-Mpanolo-tsaina: RAZAKATIANA Faramalala Ginah, RAMAROSON Hervé, HORACE Marie Candide, FRANCOIS Sultanot.

Vous aimerez aussi...