Fiadiana amin’ny kolikoly eto amin’ny MICA.
Anio 24 Jona 2020 dia nisy fihaonana voalohany mialohan’ny fiofanana maro samy hafa teo amin’ny solontenan’ny BIANCO sy ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly na ny CAC eo anivon’ny MICA. Ny ady amin’ny kolikoly dia asa mitohy ary mitaky ezaka mafimafy hatrany. Tamin’ny taona 2019, ny fitondram-panjakana Malagasy dia nitaky ny fametrahana izany sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly izany isaky ny minisitera izay eo ambany fanaraha-mason’ny BIANCO araka ny lalàna 2016-020 mifehy ny ady amin’ny kolikoly. Ny CAC dia mampafantatra ny endriky ny kolikoly, mametraka ireo fenitra hisorohana ny kolikoly, manamafy ireo fitaovana enti-miady ary manasazy ireo mpanao kolikoly. Ny CAC dia manana adidy hamantatra ireo karazana fandikan-dalàna na fahadisoana ihany koa. Ireo fanenjehana dia manana endrika anakiroa: ny sazy ara-pitsipi-pifehezana, izay manomboka amin’ny fampitandremana ka mitondra amin’ny fandroahana ny mpandika lalàna; sy ny famaizana ara-tsazy hiaraha-miasa amin’ny BIANCO. Ao aorian’ity fihaonana ity izay manamarika ny fiaraha-miasa eo amin’ny BIANCO sy ny MICA dia hisy ny fanofanana ireo mpampiofana amin’ny volana jolay.