Taninketsa indostrialy ao amin’ny distrikan’i Manandriana

Napetraka any Manandriana ny milina voalohany fanodinana voasary makirana
Distrika roa hafa indray ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania no nanantanterahana ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) tamin’iny herinandro lasa iny. Raha notolorana milina fanodinana voatabia Ambositra, tany amin’ny kaominina Andina ny Alatsinainy 11 Desambra 2023; ny ampitson’io, ny Talata 12 Desambra 2023 indray dia notsenaina tao Anjomanakona ny milina fanodinana voasary makirana ho an’ny distrikan’i Manandriana.
Ny Assistant parlemantaire miara-miasa amin’ny solombavambahoaka, ny Tale (DAGR) ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, ny solontenan’ny Lehiben’ny distrika sy ireo mpikambana ao amin’ny Union des coopératives no niara-nisalahy namindra ny entana ho ao amin’ny fiara hafa satria tsy zakan’ny tetezana ny fiara lehibe nitondra izany avy aty Antananarivo.
Nampitondra teny fisaorana sy fankatelemana ho an’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izy ireo fa “tonga ilay nandrasana ary tsy araka ny noeritreretina ireo zavatra tonga fa fitaovana goavana izay sambany no nahitana azy”.

Vous aimerez aussi...