Taninketsa indostrialy: efa tonga any Ambositra ny ozinina fanodinana tantely (miellerie).

Amoron’i Mania no faritra voalohany hisitraka ny ozinina anisan’ireo 75 nohafarana. Efa tonga any an-toerana hatramin’ny omaly Alakamisy 19 Janoary 2023 ny Minisitra Edgard Razafindravahy hitarika ny lanonana fampahafantarana ireo fitaovana hanodinana ara-indostria ny tantely sy hanaovana ny antso ho an’ireo mpandraharaha vonona hitondra ny traikefany amin’ny fitantanana ny Indostria.

Nandray ny manampahefana any Amoron’i Mania avy hatrany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) taorian’ny fitsenana azy teny am-pihaviana izay nahitana ny Prefen’Ambositra sy ny Talen’ny Kabinetrany Faritra.

Fitaovana harifomba sy manaraka ny toetrandro ireto tonga any Ambositra ireo. Hanampy betsaka ny mpiompy tantely any Amoron’i Mania izay efa mivondrona anaty vovonana lehibe izany. Nasaina manokana hanatrika ny fotoana anio izy ireo. Aorian’Ambositra dia hahazo ny anjarany koa ny faritra sy distrika hafa manerana an’i Madagasikara ho fanatanterahana ny #Velirano 7.

Sary nomena

Vous aimerez aussi...