Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimeraan’ny Varotra sy Indostria (CCI)

?ANALANJIROFO: Taorian’ny fiofanana nampanaovin’ny ekipan’ny DPP ireo mpikambana ao amin’ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana dia nitohy hatrany ny fanentanana ireo mpandraharaha. Ny tao Mananara Avaratra no nisitraka izany tamin’ity herinandro ity. Nampirisihina ireo mpandraharaha mba hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana na koa hirotsaka ho fidiana satria zo izany. Nisy koa ny fanodinana fandaharana fanentanana tao amin’ny Radio Fanilo.
?VAKINANKARATRA: Ny distrikan’i Faratsiho, Antanifotsy ary Antsirabe II indray no nanohizan’ny Komity manokana Vakinankaratra ny fanentanana ny 09 sy 10 Septambra 2022 lasa teo Notetezina tsirairay mihintsy moa ireo mpandraharaha mba hanazavana misimisy kokoa ny antony hanaovana ny fifidianana. Nampahafantarina azy ireo ihany koa fa ny 26 novambra 2022 no andro hanatanterahana ny fifidianana ho an’ny faritra Vakinankaratra.
?BONGOLAVA: Vahinin’ny Radio Oasis ny 29 Aogositra 2022 tolakandro ny DRICC Bongolava. Noresahina tamin’izany ny fanamafisana ny fiantsoana ireo mpandraharaha mba hisoratra anarana anatin’ny lisitry ny mpifidy. Nentina koa ny fanampim-panazavana momba ny anton’ny Hetsika fiarovana ny mpanjifa manao Dépôt Mvola ary ny fihenan’ny vidina lafarinina.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...