Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania, Menabe ary Fitovinany

? Amoron’i Mania : Isan’ny hetsika tafiditra anatin’ny fiarovana ny mpanjifa ny fanentanana ireo mpisehatra anatin’ny varotra (mpandraharaha sy mpivarotra) momba ny fitsarana sy ny fanamarinana ireo fitaovam-pandajana ampiasana eo amin’ny sehatry ny varotra. Ho an’ny Distrikan’Ambositra sy Fandriana manokana, hanomboka amin’ny herinandro ho avy izao ny fizarana ny taratasy fiantsoana mikasika ny fitsarana ireo fitaovam-pandajana ao an-toerana. Hetsika izay tarihin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny varotra any amin’ny faritra Amoron’i Mania izany.

? Menabe: Tafatsangana ny Vondrona iombonan’ireo mpandraharaha indostrialy sy ireo mpanangom-bokatra misehatra ao anatin’ny seha-pihariana voanjo ny 26 marsa lasa teo. Ireo no handrafitra ny vovonana misahana ny voanjo ao amin’ny faritra Menabe. Natao izao rafitra izao entina hanatsarana ny seha-pihariana voanjo izay vokatra isany mampalaza sy hampandroso ara-toekarena sy ara-tsosialy ny faritra.

? Fitovinany: Nikarakara atrik’asa ho fanatsarana hatrany ny seha-pihariana tantely any amin’ny faritra ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (DRICC) ny 28 marsa lasa teo. Tontosa nandritra izany atrik’asa izany ny fanavaozana ireo mpitantana ny Vovonana mandinika sy manohana ny seha-pihariana tantely na ny “PCAF-Miel”. Marihana fa ny USAID tamin’ny alalan’ny AVSF FIOVANA sy ADRA no nanohana ara-bola an’izany atrik’asa izany.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...