Vaovaon’ny faritra DIANA – ANALANJIROFO – MELAKY: Manan-danja eo amin’ny fiarovana ny mpanjifa ny fanalefahana ny vidim-piainana.
DIANA : Mahazo ny anjara Vary Tsinjo ihany koa ny mponina ao Antsiranana I sy Ambilobe. Vary Tsinjo 510 taonina ho aparitaka manodidina an’Antsiranana I ary 760 taonina (ho avy amin’ity herinandro ity) mankany Ambilobe amin’ny vidiny 2100ar ny kilao ary 600ar isaky ny kapoaka hatrany. Manara-maso akaiky ny fitsinjarana ny Fitaleavam-paritra (DRICC) any an-toerana.
ANALANJIROFO : Miisa 5 ny toeram-pivarotana Tsena Mora faharoa ao Fenoarivo Atsinanana ary manana Vary Tsinjo 30 gony avy izy ireo hamidy ka lany avokoa izany. Afa-po ny mponina amin’ny fisian’ny tsenam-bahoaka.
MELAKY: Nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa ao Maintirano ny DRICC. Nandrafitra paikady hiarahana izy ireo amin’ny fanaraha-maso eo amin’ny mety fanafenana entana sy fanagiazam-bokatra mitarika fanararaotana. Napetraka fa hisy fampiofanana hataon’ny ekipan’ny DRICC ho an’ireo fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa ireo amin’ny herinandro ho avy izao.